4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny mifankatia - Bessa sy Lola

Ref:

Izay rehetra antenaina ho fiononam-po

Dia hanjary rava maina

Sy afoy avokoa

Fa fandalovana eto an-tany tsy mba hoe doria

Setrin’izany ny mifankatia



Tsy misy fanahy azo inoana

Afa-tsy Jeso be fitia

Eny satria izy taty

Nahita ireo tsy rariny

Hatramin’ny hoe kibo noana

Efa nanjo azy tety

fa noreseny ny tany hitondra soa



Fa saingy izao koa no tsarovy

Hivaly aminao ny ataonao

Tsy iray na roa no anaovan-tsoa

Dia efa iandrasam-baliny

Ny fonao madio no arovy

Ndrao fakam-panahy no mankao

Hoe izay sakaizako ihany no tiako koa



Tonony sy feony: Bessa

Mpihira: Bessa - Bodo

Partager ny mifankatia

Commenter ny mifankatia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy Lola

Suite